Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanafody sy fitiliana : 3 tapitrisa Ar isan-taona ny vola lanin’ny diabetika 1

Fanafody sy fitiliana  : 3 tapitrisa Ar isan-taona ny vola lanin’ny diabetika 1

 Rehefa manana toe-batana diabetika ny olona iray, misy ny fanafody sy ny fitiliana tsy maintsy atao isan’andro tsy tapaka.

Mandritra ny taona iray, mahatratra 3 tapitrisa Ar fara fahakeliny ny sorabola lanin’ny olona iray tratran’ny diabeta, araka ny fanazavan’ny filohan’ny Andia Malagasy miady amin’ny diabeta (Amadia), dokotera Ramamonjisoa Haja, omaly, teny Anosy. Lafo ny karazam-panafody handaminana ny diabeta ka mandany hatramin’ny 100 000 Ar isam-bolana ny olona iray fa mety ho avo roa na telo heny izany, arakaraka ny tranga. Malagasy efatra ao anatin’ny 100 no manana ny toe-batana diabetika amin’izao fotoana izao, araka ny nambaran’ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Andriamanarivo Mamy Lalatiana. 92 000 izany raha avadika ho antontanisa, nefa 32 000 ihany no manaraka fandraisana an-tanana eny amin’ny Amadia ankehitriny.130 amin’ireo ankizy avokoa. Sokajy diabeta 1 ny diabeta mahazo ny ankizy vokatry ny fahavoazan’ny sarakaty aorian’ny aretina etin’ny otrikaretina mahery vaika ka manankorontana ny asan’ny sarakaty.

Natokan’ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny fahasalamana (OMS) ho an’ny diabeta ny fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny fahasalamana omaly satria loza mitatao amin’ny mponina eran-tany io toe-batana io. Hita amin’ny fatran’ny siramamy ao amin’ny ra ny fahafantarana na diabetika na tsia ny olona iray. Nahasarika olona marobe ny fitiliana maimaimpoana nataon’ny Amadia teny amin’ny HJRA omaly hitsapana ny fatran’ny siramamy.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.