Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Raha tsy mivaly hatramin’ny alatsinainy ny fitakiana… : hanao fitokonam-be ny mpandraharahan’ny fonja

Raha tsy mivaly hatramin’ny alatsinainy ny fitakiana…  : hanao fitokonam-be ny mpandraharahan’ny fonja

Nanao fanambarana teny amin’ny fonjan’Antanimora omaly, ireo sendikan’ny mpandraharaha ny fonja, nanamafy ny fitakian’izy ireo. “Raha tsy mahazo valiny amin’ny fanjakana foibe ao anatin’ny 72 ora izahay, hanao fitokonam-be manomboka ny alatsinainy izao”, hoy izy ireo.

Voalaza fa fitakiana efa tamin’ny volana janoary ireo, efa nisy ny fifanarahana teo amin’izy ireo sy ny ministera mpiahy, saingy tsy nahitam-bokany izany. Ohatra amin’ny fitakiana, ny fanomezana fiara vaovao ny mpandraharaha ahafahana mitondra ireo voafonja eny amin’ny fitsarana. Ny tambin-karama sy mari-karama mifaranaka amin’ny vaninan’andro ankehitriny, ny fanamiana vaovao, sns.

Nilaza ny ho vonona hiroso amin’ny fitokonam-be izy ireo, ny alatsinainy izao. Midika fanaovana tsinontsinona azy ireo ny tsy famaliana sy tsy fihainoan’ny fanjakana ny fangatahany hatramin’izay.

Sahirana…

Olana ho azy ireo ny fitondrana voafonja eny amin’ny fitsarana fotsiny aza. Nentina taxi-be na nandeha an-tongotra kanefa amina kilaometra maro ny toerana hitondrana azy ireny. Fanambaniana ny asan’izy ireo izany ary loza mitatao ho an’ny fiaraha-monina koa.

Hanampy azy ireo ihany koa ny mpiraki-draharaha eny amin’ny fitsarana, hanao ny fitokonambeny koa ny alatsinainy izao. Izany hoe ireo samy manana olana avokoa ireo mpiasa eo anivon’ny ministeran’ny Fitsarana. Tsy mahavaha olana ny minisitera mpiahy sa ny fitondrana mihitsy no tsy mahita vahaolana?

Yves S.

Les commentaires sont fermées.