Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

Dahalo miisa 90 nitondra basy sy sabatra ary famaky indray nanafika tao Manarinony Ambalamanakana Ambositra, ny alahady teo. Lasan’ireo dahalo tamin’izany ny omby ampolony maro. Nanara-dia avy hatrany ny zandary ka raikitra ny fifampitifirana tao Sahasiana Ambositra. Tafatsoaka ireo dahalo raha azo kosa ny omby miisa 23.

Nosakanan’ny jiolahy miisa enina nitondra basy ny mpiantsena nandeha bisikileta, ny asabotsy teo tao Andranomiambana Andranonahoatra Anjozorobe. Tafatsoaka ihany ireo mpiantsena ka niantso miaramilan’ny Das ao Ankazongoaika niaraka tamin’ny fokonolona. Nitifitra avy hatrany ireo jiolahy raha vao nahita ny fokonolona sy ilay miaramila. Maty tsy tra-drano ity farany. Naterin’ny fokonolona tao amin’ny poste avancé Amboasary Avaratra ny basiny.

Les commentaires sont fermées.