Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Lutte : indroa resy tany Alzeria i Faly Hery

Lutte  : indroa resy tany Alzeria i Faly Hery

 Tsy mbola manana solontena ho any Brezila, amin’ny fiatrehana ny “Lalao olympika” (JO 2016), ny taranja tolona (lutte) malagasy. Resy teo amin’ny fiadian-toerana, ho an’i Afrika, mantsy i Faly Hery.

Tsy namokatra Randrianantoandro Faly Hery, nandritra ny fiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Lalao olympika 2016”, hatao any Brezila ny volana aogositra ho avy izao, eo amin’ny taranja tolona (lute). Fihaonana, niraisan’i Afrika sy Oseania, izay notanterahina, tao amin’ny Complexe sportif Mohamed Boudiaf, ao Alger, ny asabotsy lasa teo.

Indroa resy ity tompondakan’i Madagasikara ity, teo amin’ny “lutte libre”, ho an’ny sokajy – 65 kg. Nahintsan’ilay Aostralianina, Sahit Prizreni, teo amn’ny fihodinana voalohany, ny tovolahy. Tamin’ny isa 4 noho 0 no naharesy an’i Faly Hery.

Niatrika famerenana «repêchage» izy avy eo, saingy tsy mbola tafavoaka ihany fa resin’ilay Maraokanina, Bilal El Ouarraqe. Tamin’ny isa 4 noho 1 indray no nisarahan’izy mirahalahy.

 

Tafita i Daniel sy Prizreni

Lasan’ilay Nizerianina, Amas Daniel, ny medaly volamena, tamin’ity.

Lavony teo amin’ny famaranana, tamin’ny isa 3 noho 1, ilay Aostralianina, Sahit Prizreni, izay nanintsana an’i Faly Hery. Nahazo ny tapakila hiatrehana ny «Lalao olympika» moa izy mirahalahy niatrika ny famaranana.

Anisan’ireo firenena nahazo medaly betsaka indrindra, tamin’ity fifaninanana ity, i Alzeria, mpampiantrano, izay nandrombaka 39 ka ny 9 tamin’ireo, volamena avokoa.

Tsy mbola tapitra kosa ny fanantenana ho an’i Faly Hery, satria mbola hiatrika fifanintsanana iray, hatao any Mongolie, indray izy, ny fiandohan’ny volana mey ho avy izao.

Tsiahivina fa firenena afrikanina 14 no niatrika ity fifaninanana ity : i Alzeria, Tonizia, Maraoka, Egypta, Nizeria, Ginea-Bisao, Namibia, Senegal, Kongo, Tchad, Kameronina, Madagasikara, Maorisy ary Sierra-Leone.

Ankoatra izay, nisy valo ireo avy amin’ny kaontinanta Oseania, toa an’i Aostralia, Nouvelle-Zélande, Samoa, Etats de Micronésie, Guam, Nauru, Nosy Marshall ary Palaos.

 Tompondaka

Les commentaires sont fermées.