Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kandidà ho mpikamban’ny HCDDED : miroso hametraka masontsivana ny firaisamonina sivily

Miantso ny firaisamonina sivily rehetra manerana an’i Madagasikara hamonjy ny fivoriana izay hatao eny amin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny fifandraisana amin’ny andrimpanjakana, Nanisana, ny 6 avrily ho avy izao.

Io ny fiantsoan’ny komity manokana mikarakara ny fifidianana izay ho solontenany eo anivon’ny Filankevitra ambony momba ny fiarovana ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna (HCDDED), Ndriandahy Mahamoudou, teny Anosy, omaly.

Fametrahana ny masontsivana amin’izay ho kandidàn’ny firaisamonina sivily hofidina ho mpikamban’ny HCDDED no zavatra hatao amin’io fivoriana io”, hoy Andriamoraniaina Harijaona. Nohamafisiny fa antsoina amin’io fivoriana io izay fikambanana manara-dalàna, afa-manaporofo fa ara-dalàna ny fijoroany: manana fitsipika iorenana tsara sy voarafitra avy amin’ny tomponandraiki-panjakana misahana an’izay.

Afa-mifidy izay ho solontenan’ny firaisamonina sivily ho ao amin’ny HCDDED ny fikambanana miantsehatra amin’ny fiarovana ny demokrasia sy ny tany tan-dalàna ary ny zon’olombelona, afa-manaporofo fa tena miantsehatra amin’izany ary afa-mieritreritra ny fitsipi-dalao iraisana hikarakarana izay fifidianana izay.

Hilamina amin’izay ve ny disadisan’ny firaisamonina sivily? Misy tsy manaiky ny fomba nifidianana ireo mpikamban’ny komity hikarakara ny fifidianana. Saika avy amin’ny hetsika Rohy avokoa ireo mpikambana amin’izany.

R. Nd.

Les commentaires sont fermées.