Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

J.O 2016 : nahazo « wild card » Rabetsara Fils Estellah sy Ralefy Anthony

Mazava. Mandray anjara amin’ny “Lalao Olympika 2016” na J.O 2016 any Rio, Brezila, eo amin’ny taranja lomano i Madagasikara. Notoloran’ny federasiona iraisam-pirenen’ny lomano (Fina) “wild card” na fanasana manokana mantsy isika.

Amin’ny alalan-dRabetsara Fils Estellah, eo amin’ny vehivavy, ary Ralefy Anthony eo amin’ny lehilahy no hahafahantsika mandray anjara amin’io hetsika goavana iraisam-pirenena sady faratampony io.

Raha ny fanazavana, noho ny isa azon’izy ireo tamin’ireo fifaninanana iraisam-pirenena natrehiny, indrindra fa ny fiadiana ny tompondaka eran-tany farany teo, no nahazoan’izy ireo ny “wild card”.

Ankoatra izay, efa manaraka fanazarantena tsy tapaka kosa izy mianadahy ireto. Anisan’ny hetsika tafiditra amin’ny fanomanana natrehin-dRabetsara Estellah zao ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara teo amin’ny dobo 25 m, ny faran’ny herinandro teo.

M.N.

Les commentaires sont fermées.