Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ifandroritan-Ravalomanana sy Rakotovao Andohatapenaka

 Tena tsy faly… amin’ny minisi-panjakana sy ireo minisitra roa hafa ny filoha teo aloha, Ravalomanana, manoloana ny hamindrana ny tobim-piantsonan’ny taksiborosy etsy Andohatapenaka. « An’ny Tiko Agri ny tany ary manana dosie ara-dalàna, ny taona 2008, izahay. Nofoanan’ny fitondrana Tetezamita amin’ny fomba tsy ara-dalàna fotsiny izao anefa izany… Tokony ho nifampiresaka mialoha ny nandraisana izany fanapahan-kevitra hamindrana ny tobim-piantsoanana izany Rakotovao Rivo. Tany misy tompony nefa alaina fotsiny izao… Manao ny tsy hitiavan’ny vahoaka ny fitondrana io minisi-panjakana io ary mampiseho ny haratsiany… », hoy izy raha nijery ifotony ny asan’ireo mpandrefy tany avy amin’ny fanjakana teny an-toerana, omaly. Notebahiny miaraka amin’ity minisim-panjakana ity koa ny minisitra teo aloha, Randrianarimanana Edmond sy ny minisitry ny indostria, Rafidimanana Narison. « Tokony hiaro ny mpandraharaha teratany sy ny vahoaka ianareo… Vonona hifanatrika aminareo aho… Roa taona sy tapany sisa ianareo no eo raha mbola ho tafapetraka eo », hoy ihany izy.

Nitondra valin-kafatra avy hatrany anefa ny minisi-panjakana ka nilaza fa tsy manan-kery intsony ary efa nofoanan’ny fanjakana tamin’izany ny maha an’ny filoha teo aloha, ny tany izany. « Ny marina, marina hatranyTorio izahay raha tsy manara-dalàna », hoy izy.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.