Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hanampy antsika amin’ny Frankofonia i Frantsa

Hanampy antsika amin’ny Frankofonia i Frantsa

« Hitondra ny fanohanany, tsy eo amin’ny lafiny arofenitra ihany fa eo amin’ny serasera maoderina sy ny fitaterana ary koa ny fampiantranoana… Momba ny arofenitra manokana, efa manana ny fomba sy ny fahaiza-manaony amin’ny fandraisana vahiny i Madagasikara », hoy ny ambasadaoro sady lehiben’ny arofenitra ao amin’ny Lapan’i Elysée, Laurent Stefanini sy ireo delegasiona notarihiny, raha nihaona tamin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Atallah Béatrice, omaly tetsy Anosy.

Notsiahivin’ny minisitra kosa fa zava-dehibe izao fahatongavan’ny iraky ny filoha Frantsay, François Hollande eto amintsika izao. « Hijery ny fanomanana ny handraisantsika ny Frankofonia izy ireo. Ao anatin’izany ny fampitaovana sy ny arofenitra ary ny fitandroana ny filaminana. Anjatony rahateo ireo delegasiona frantsay ho avy eto amin’io fihaonana an-tampony io… Noresahinay teo fa azo atao ny manamafy ny fahaiza-manaontsika eo amin’ny arofenitra…. », hoy izy.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.