Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ankadimbahoaka : fiara 4×4 telo indray nifandona

Samy nahitana fahasimbana avokoa ireo fiara 4×4 nifandona teny Ankadimbahoaka, omaly antoandro. Araka ny fanazavan’ireo olona nahita ny fitrangan’ny loza, fiara 4×4 iray izay tsy nandefitra fa nisongona fiara teo alohany no nitarika ny loza ka nifatratra tamin’ireo fiara 4×4 roa hafa. Tsy vitan’izay fa nidona tamin’ny andrin-jiro ihany koa ilay fiara 4×4 iray. Mafy, araka izany, ny fifandonana ka niteraka fitohanan’ny fifamoivoizana ity loza nitranga ity. Tsy nisy kosa ny aina nafoy.

J.C

Les commentaires sont fermées.