Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tanjombato : mpangalatra môtô niharan’ny fitsaram-bahoaka

Tanjombato  : mpangalatra môtô niharan’ny fitsaram-bahoaka

 Naratra mafy, araka izao ahitana azy amin’ny sary izao ity jiolahy iray nikasa hangalatra môtô teny Tanjombato, omaly antoandro. Araka ny fanazavan’ireo olona nahita ny fihetsiny, efa niandriandry teny ivelan’ny trano ilay jiolahy ary nihevitra izy fa tsy misy hahita. Voalaza fa teo am-panosehana ilay môtô mihitsy no nobedain’ny fokonolona. Raikitra amin’izay, ny horakoraka ka nifanenjehan’ny olona. Tsy namelan’ny olona izy vantany vao tratra satria samy nitsaingona nanala ny hatezerany avokoa ireo nahita izany. Vokany, naratra mafy izy, saingy fotoana fohy taorian’izay, tonga naka azy ny mpitandro filaminana.

Nanamafy ireo mponina eny Tanjombato sy ny manodidina fa tsy vao izao fa matetika misy trangana halatra môtô foana eny an-toerana. Raha tsy mailo, vao mihodina kely fotsiny, manjavona ny môtô. Efa tambajotra goavana mihitsy no ao ambadiky ny halatra môtô eto an-dRenivohitra. Misy ireo mangalatra, ao kosa ireo manova endrika izany ao anatin’ny fotoana fohy. Misy indray ireo mivarotra sy manamboatra ny taratasin’ilay môtô toy ny hoe vaovao. Aoka ho mailo hatrany fa tsy kely lalana ny ratsy.

J.C

Les commentaires sont fermées.