Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

« Olympiade matematika 2016 » : 6 mianadahy hisolo tena an’i Madagasikara

« Olympiade matematika 2016 » : 6 mianadahy hisolo tena an’i Madagasikara

Randrianasolo Fenosoa Samuel, Razanamalala Marie Jacquelone, Rakotomamy Nanjafiharisoa Faniriana, Andiniaina Tojonirina Mickael, Hajamampionona Alain Priva, ary Aingatiana Santatriniaina Hosana.

Ireo izy enina mianadahy hisolo tena an’i Madagasikara amin’ilay fifaninanana iraisam-pirenena momba ny “Olympiade matematika 2016”. Hotanterahina any Hong Kong ny 6 ka hatramin’ny 19 jolay ho avy izao, ny fifaninanana.

Raha ny fanazavan’ny mpikarakara ny “Olympiade matematika” eto amintsika, Rakotondrajao Fanja, tokony ho tonga any Hong Kong ny 6 jolay ireo mpitarika ny ekipa hanao ny fandaminana rehetra. Andrasana kosa ny fahatongavan’ny ekipa rehetra ny 8 jolay izay efa samy vonona tanteraka hiatrika ny fifaninanana.

Ankoatra ny fifehezana ny taranja matematika sy ny fahombiazana tamin’ireo ambaratongam-pifaninanana nolalovana, anisan’ny fepetra takiana nahafahana nifantina ireo mpianatra amin’ny ambaratonga faharoa ihany koa ny fahaizana ny teny anglisy.

Fotoan’ny serasera sy fivelarana amin’ny tanora avy amin’ny firenena maro io olympiade io ka tombony ho an’ireo mahay miteny anglisy izany.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.