Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kestoran’ny Antenimierandoholona sy ny Bianco : « Hatao hazalambo ireo mpiasa matoatoa eto Anosikely… »

Kestoran’ny Antenimierandoholona sy ny Bianco : « Hatao hazalambo ireo mpiasa matoatoa eto Anosikely… »

 Hentitra ary tsy nitsitsy fitenenana. « Hatao hazalambo ireo tsy mpiasa nefa mandray karama ato amin’ny Antenimierandoholona. Tsy mora izany nefa tsy maintsy hatao ary iarahana amin’ny Bianco izany fanadiovana izany ka hovitaina amin’ny faran’ny avrily  », hoy ny kestoran’ny Antenimierandoholona, Abdirassoul Mohamed Mourad, omaly tetsy Anosikely. Efa nisy rahateo ny fihaonana teo amin’ny tale jeneralin’ny Bianco sy ny filohan’ny Antenimierandoholona, nialoha izao fandraisana fanapahan-kevitra momba ireo mpiasa ireo izao.

Nambarany fa anisan’ny hirosoana manomboka izao ny fametrahana ny mangarahara sy ny fanjakana tsara tantana ary koa ny tany tan-dalàna eo anivon’ity andrimpanjakana ity.

Tsy fampidirana resaka politika amin’ny asam-panjakana

Tafiditra ao anatin’izany ny ady amin’ny kolikoly sy ny tsy fampidirana ny resaka politika intsony etsy Anosikely. « Hotsaraina amin’ny fahaiza-manaony ny mpiasa ankoatra ny fanamafisana ny fiofanan’izy ireo. 605 izy ireo ka hojerena daholo ny fahaizany sy ny diplaomany. Ho hita eo ireo nanao hosoka… », hoy ihany izy.

Tafiditra sahady amin’ny mangaraharaha, fanambiny ny nilazany fa 15 miliara Ar ny tetibolan’ity andrimpanjakana ity. «Tsy mahatratra 3 tapitrisa Ar akory ny karaman’ny filohan’ny Antenimierandoholona. Na izany aza anefa, tsy maintsy ataonay ny asanay… Tsarao amin’ny iraka sy ny andraikitray izahay... », hoy ihany izy.

Nohitsiny fa hiezaka ny hanome ohatra tsara sy ho fitaratra ny etsy amin’ny Lapa fitaratra sady maitso Anosikely, manomboka izao na niaiky aza ny tenany fa ho sarotra izany.

Ankoatra izany, nametrahany fanamby ny hanomezan’ny etsy Anosikely ny vaovao rehetra ho an’ny mpanao gazety ao anatin’ny mangaraharaha, manomboka izao.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.