Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Bezaha – Toliara : lasibatry ny mpangalatra ny lakolosin’ny Ekar sy FLM

 Nangalarin’ny mpangalatra, ny faran’ny herinandro teo ny lakolosim-piangonana ao amin’ny fiangonana FLM Manasoa Fanjaira Bezaha. Tsy fantatra hatreto izay tompon’antoka tamin’ity halatra ity fa eo am-pikarohana ny mpanao ratsy ny mpitandro filaminana sy ireo fokonolona mpiray dinabe any an-toerana.

Araka ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana, talohan’io, fiangonana katolika miisa telo no efa very lakolosy. Isan’izany, ny ao Befotake, Antevamena ary ny fiangonana katolika ao Ranomafana Ambilanisoa. Velon-taraina ny mpino kristianina any an-toerana fa maro ireo lakolosim-piangonana no lasan’ny mpangalatra ka ny fiangonana katolika no tena lasibatra amin’izany ao Bezaha. Manao antso, araka izany, ny kristianina ao an-toerana mba hampandre ny mpitandro filaminana avy hatrany raha vao mahita lakolosy miparitaka na misy mivarotra.

CMS

Les commentaires sont fermées.