Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tsiroanomandidy : kaominina 3 miady amin’ny pesta

Tsiroanomandidy  : kaominina 3 miady amin’ny pesta

Tanterahina any Tsiroanomandidy ny fanentanana hiadiana amin’ny valanaretina pesta. Iaraha-mahalala fa toerana ahitana matetika ny trangan’aretina ny any an-toerana ka izany indrindra no nanaovana ny hetsika fanentanana any.

Iarahana amin’ny Institut Pasteur de Madagascar (IPM) ny hetsika iarahana amin’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka ary tohanan’ny Foundation de Lille vola hatrany amin’ny 14.710 euros.

Mahakasika kaominina telo ny tetikasda hiadiana amin’ny aretina pesta any Tsiroanomandidy. Anisan’izany ny kaominina Bemahatazana, Miandrarivo ary Ambatolampy.

Miompana indrindra amin’ny fanentanana ny mponina handray andraikitra haingana hitondra ny marary any amin’ny dokotera raha vao misy fambaran’aretina hafahafa ny tetikasa. Eo koa ny fanofanana ireo mpiasan’ny fahasalamana eny ifotony amin’ny ady amin’ny voalavo manerana ny fokontany 28 ao anatin’ny kaominina.

Marihina fa aretim-boalavo mifindra haingana amin’ny olombelona ny pesta ka ny fanafoanana ny voalavo no tena fototra voalohany tsy hiparitahan’ny aretina pesta. Mila esorina ny lobolobo, tsy asiana poti-kanina any anaty tatatra mba tsy hahafahan’ny voalavo mivelona ary indrindra tsy tokony hisy ny doro tanety mba tsy hiakaran’ny voalavo an-tanàna.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.