Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Saika haondrana an-tsokosoko any Mombay : noraisim-potsiny ilay Karana nahatrarana volamena 2,5 kg

Saika haondrana an-tsokosoko any Mombay  : noraisim-potsiny ilay Karana nahatrarana volamena 2,5 kg

Mitohy hatrany ny fahatrarana volamena eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Tratran’ny mpiasan’ny ladoany tamina Karana iray monina eto Madagasikara indray, ny 27 marsa teo, ny volamena 2,5 kg, saika haondrana an-tsokosoko any Mombay. Tao anaty entany no nahitana ireo volamena ireo, araka ny vaovao azo. Ankoatra ireo, efa nisy koa volamena 1 kg tratra efa vita tefy tamina teratany srilankey efatra, ny 17 marsa lasa teo. Mahatratra 3,5 kg, araka izany, ny volamena saika haondrana an-tsokosoka any ivelany, tao anatin’ny tapa-bolana monja. “Nahazo vaovao mikasika ny fisian’ny Karana iray mitondra volamena ho any Azia izahay. Nafeniny tao anaty krikana fiara izany. Tamin’ny fisavana ny entany, nanaitra ny lanjan’ity fitaovana ity fa tsy toy ny mahazatra. Tsy naharesy lahatra koa ny fanazavana nentin’ilay Karana momba izany ka niroso tamin’ny fisavana ny mpiasan’ny ladoany. Teo no nahitana ireo volamena 2,5 kg ireo”, hoy ny reseveran’ny ladoany eny Ivato, Rakotoarimalala Haja.

Najanona ho fananan’ny fandraharahana ny ladoany ireo volamena sarona ireo, taorian’ny fifampiraharahana teo amin’ny roa tonta. Tsy hampiakarina eny anivon’ny fitsarana, araka izany, ity raharaha ity. Nilaza ny mpiasan’ny ladoany fa hapetraka ao amin’ny “coffre fort” an’ny Banky foiben’i Madagasikara ireo volamena tratra ireo.

Andry F.

Les commentaires sont fermées.