Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fantina sy fintina

Nolavin’ny prefet ny fangatahan’ny Aroriaka ho eo Ambohijatovo. Antony, ny tsy fahampian’ireo hiantoka sy hiandraikitra izany hetsika izany. Na izany aza, nilaza ny hidina an-dalambe izy ireo sy ireo manana olana amin’ny resaka tany bodoin’ny vahiny.

Hanao amboletra hidina an-dalambe Ramaroson Alain rehefa tsy homena alalana, mba hanoherana ny fitondrana. Nambarany teny Soanierana, tamin’ny fametrahana fehezam-boninkazo ahatsiarovana ny 31 marsa, nahafaty an’i Laha Gaston voatifitra teny ny 1992 izany.

Les commentaires sont fermées.