Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Resaky ny mpitsimpona akotry : mpivohy posy mitetitety faritany

Ao anatin’ny taona tena mampatanjaka azy, manodidina ny faha-30 taona ilay lehilahy mpitatitra olona amin’ny posy-bisikileta. Mazava tarehy, azo heverina fa toy izany koa ny fahazavan’ny sainy raha tarafina amin’ny fahaizany mampidi-dresaka amin’ny olona izay mitaingina ny posy vohizina izay izy no mpamily. Maro ambara koa moa ingahy fa araky ny voalazany dia manana ity asa hajainy no efa nahazoany traikefa ity izy ka entiny mitetitety ny vazantany eto amin’ny nosy. Hatramin’izao aloha dia mbola tany Mahajanga sy Toamasina no niasany talohan’ny fahatongavany eto Mahanoro. Fahiny angamba hoy izy no nisy izany hoe fibahanan’ny Betsirebaka ny asa fitarihana posy, tamin’izany dia izy ireo ihany koa angamba no sahy nanokan-tena sy nanetry tena hanao izany asa mafy sady ivaivain’ny sasany izany. Niova ny toetr’andro ary niova ihany koa ny posy, izay tsy tarihina intsony an-tongotra fa bisikileta no vohizina hitarika. Tsy azo lazaina hoe tsy mafy na tsy mihinan’aina izany fa vita rehefa eo ny fahazotoana sy ny fahatozoana, ary tsy ambanin-javatra hoy izy indrindra fa amin’izao andro sarotra momba ny fitadiavana asa fameloman-tena izao. Tsy misy hono izany fanavakavahana ara-piaviana izany, malalaka ny fidirana na hety aza ny sehatra noho ny fifaninanana. Aiza ary ity firenena ampihavanina ity hoy ny fanontaniany. Ny mponina anie tao amin’ireo tanàna noteteziny dia tsy miady fa noho ny fahasarotan’ny fiainana dia samy mandeha samy mitady ka lasa ohatran’ny mifono fitiavan-tena ny fihetsiky ny tsirairay matetika. Mihen-danja hono izany firasankina izany fa tsy noho ny fifankahalana, ny onjam-piainana no anton’izany araky ny fahitany azy.

Iza moa no tsy maniry ny fiverenan’ny firaisankina eto amin’ny fiarahamonina no fanontaniana napetrany. Ny fahalefahan’ny adim-piainana ihany araky ny fiheverany no antoky ny fiverenan’ny fahalemem-panahy hono, izany anefa dia ny fitondrana no hany tompon’andraikitra afaka hanamoramora ny fiainana. Afaka antenaina anefa ve fa ho tonga saina ho azy amin’ny fihezahana ho amin’izany ny fitondrana ? Tsia hoy ny valiny. An’ny vahoaka no manao ezaka mba hifehezana ny mpitondra hitarika amin’izany lalana izany. Indrisy anefa, araky ny voalazany fanohizana izany, ny vahoaka hono efa tafiditra lalina ao anatin’ny tontolon’ny kolikoly ka tsy ilaozan’izay hitady lala-maizina hanamorana ny fiainany sy hampiavaka azy amin’ny be sy ny maro. Kely fanantenana ingahy kely nefa tsy very toky fa mbola manipy ady hevitra mba ahafahan’izay olona iresahany isaintsaina.

Léo Raz

Les commentaires sont fermées.