Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Faran’ny herinandro an-tsary

Faran’ny herinandro an-tsary

Na somary tsy fantatry ny olona loatra aza ny fisiany, nahasarika ireo mpandalo ilay seho tetsy anoloan’ny Cemdlac Analakely, omaly tolakandro. Hiragasy an-tsehatra nentina naneho fa azo ampitan-kafatra tsara ity zavakanto malagasy fahita eto Imerina ity. Lehibe, tanora, ankizy, zaza, samy tazana teny an-toerana avokoa. Nanongilan-tsofina, nitsiky rehefa naheno ilay tononkira toa vazivazy zary tena. Fotoana nahatsapana fa liana amin’ny hiragasy ny Malagasy, saingy ny tsy fisian’ny toerana hanaovana izany no olana.

Mialoha ilay fampisehoana goavana hotontosaina eto an-dRenivohitra, nanatanteraka seho fanandraman-tsira sady santatra tetsy amin’ny Café de la Gare Soarano ny tarika AmbondronA. Nampahafantarina tamin’izany koa ny fivoahan’ny rakikira « Tiako hitoetra ».

Tetsy Ankorondrano ny zoma alina teo no namoahan’i Johary Ravaloson ilay boky mitondra ny lohateny « Les nuits d’Antananarivo ». Boky maneho ny fiainana eto an-dRenivohitra amin’ny alina.

 

Nanatontosa : HaRy – Mamiherison – Fano

Les commentaires sont fermées.