Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Antananarivo : hiverina ny orambe ny alarobia

 Tsy mbola misy ahina ny fiakaran’ny rano eto amin’ny lemak’Antananarivo na teo aza ny orana tsy nijanona ny faran’ny herinandro, indrindra ny asabotsy hariva, araka ny fanambaran’ny Apipa, omaly. Nisy fiatoana kely ny orana omaly sy anio na ho avy ihany fa ho kely ny refiny ho an’ny Renivohitra. « Hiverina kosa ny orambe manomboka ny alarobia ary hihamafy miandalana hatrany », hoy ny fanazavan’ny teknisianina eny Ampandrianomby, omaly. Ao anatin’ny andro fahavaratra rahateo isika ka manamarika izany ny rotsak’orana amin’ny hariva sy ny alina. Hahazo rotsak’orana betsaka ny faritra Analamanga, araka ny tomban’ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro manomboka anio ka hatramin’ny  zoma izao. Tombanana hahatratra 34,2 mm ny refin’ny rotsak’orana ao anatin’ny hadimiana raha 26,3 mm ny refy tokony ho izy.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.