Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Holafitry ny mpisolovava : “Manakorontana sy tsy atokisana ny fitsarana ny mpanera”

“Be loatra ny mpanelanelana aty amin’ny asam-pitsarana”, hoy ny filohan’ny holafitry ny mpisolovava, ny bâtonnier Raharison Hubert, taorian’ny fivoriamben’ny holafitry ny mpisolovava teny amin’ny fitsarana, Anosy, afakomaly.

Raha mbola avela hanao asa fiarovana ny olon-kafa, ankoatra ny mpisolovava izay manana ny fiofanana manokana sy ny fahaiza-manao: mety tsy ho araka ny lalàna intsony ny adihevitra mandeha eny amin’ny Fitsarana, araka ny fanazavany.

Mandeha mamitaka olona any ivelan’ny lapan’ny fitsarana ny olon-kafa  Betsaka ny olona efa mitaraina ihany koa fa very vola amin’izany. “Loza ho an’ny fitsarana izay zavatra izay, hoy izy.

Tsy afa-misaraka amin’ny fanomezana hasina ny asan’ny mpisolovava ny fanomezana hasina ny asam-pitsarana. Satria manana ny fahaiza-manao amin’ny fiarovana izy ireo, niofana momba izany.

Mila rafitra mpanara-maso ny tontolon’ny fitsarana

Tokony hojerena maika koa izay hahafahana mametraka ny fanaraha-maso ny etika isaky ny fitsarana rehetra eto Madagasikara, fa be loatra ny mpanelanelana amin’ny asam-pitsarana, araka ny fanazavany.

Ho karazana maso mijery ny zava-misy ao anatin’ny fitsarana izay rafitra mpanara-maso izay. Hahitana mpisolovava sy mpitsara ao anatin’izany; raha ilaina, hisy mpanao gazety. Tokony hatsangana isaky ny fitsarana io, hahitana izay zava-mitranga ao amin’ny fitsarana. Amin’izay, tsy hisy ny an-kinafinafina eo anivon’ny fitsarana.

Mahabe fitarainana indrindra ny fitsarana

 Anisan’ny mampitaraina ny mpisolovava hatramin’izay, ohatra, ny hoe: lasa any amin’ny kolikoly ny vola tokony hakana mpisolovava. Aleon’ny olona manao kolikoly toy izay maka mpisolovava.

Mampiaka-peo ny mpitsara hatrany kosa ny tsy fisian’ny fisaraham-pahefana mazava. Saika  Tsabahin’ny mpanatanteraka hatrany ny fitsarana, lasa fitaovana politika: fampihorohoroana sy fampiakarana izay manelingelina?

Ho an’ny vahoaka, anisan’ny mahabe fitarainana indrindra amin’ny fisian’ny kolikoly ny eny anivon’ny fitsarana. Saika votsotra na tsy fantatra fiafarana izay raharaha akarin’ny Bianco fitsarana, ohatra. Mbola azo atokisana amin’izany?

R. Nd.

Les commentaires sont fermées.