Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

 Lehilahy iray, 29 taona monina any Ankadikely Ilafy mpangalatra kojakojana fiara no voasambotry ny polisy avy amin’ny Poste de police Ampefiloha ny Alarobia, 9 Marsa tokony ho tamin’ny 10 ora maraina teny Ampefiloha. Maro ny fitarainana voarain’ny polisy mahakasika fahaverezana kojakojana fiara sy moto amin’iny faritra Ampefiloha sy ny manodidina iny. Ny alarobia maraina, nahatsikaritra tovolahy iray nijoro teo anoloan’ny fiara sprinter iray amidy eo Ampefiloha ny tompona fiara. Tahaka ny kaodikaody ny fihetsik’ilay tovolahy ka nivoaka ny fiara izy mba hijery azy. Nitsoaka ilay tovolahy raha vao nivoaka ny tompon’ny fiara. Nikirazorazo efa saika niala ny « clignotant »-n’ilay fiara. Nampandre ny polisy mandamina ny fifamoivoizana tsy lavitra teo ilay rangahy. Raikitra ny fanenjehana ka voasambotra ilay mpangalatra. Tamin’ny fanadihadiana natao azy no nahalalana fa mpanamboatra fiara mandehandeha ny asany. Nilaza ihany koa izy fa matetika no manao ity asa ratsiny ity rehefa tsy mahita karama.

Vehivavy iray antsoina, 38 taona mpivarotra rongony sy lehilahy miisa telo mpifoka rongony voasambotry ny polisin’ny boriborintany fahatelo Antaninandro, ny alarobia, teo  tokony tamin’ny 10 ora sy sasany, teny Andravoahangy Tsena. Mbola teo ampivarotana rongony ilay vehivavy no voasambotry ny polisy ka mbola tra-tehaka tany aminy ny rongony 58 fonosana sy rarany milanja 1kg. Niaiky izy fa azy ireo rongony amidiny ireo ary vao enim-bolana izay izy no nanao izao asa ratsy izao. Nambarany fa 10.000 Ar no ividianany ny iray “sachet” ary tsinjarainy ho 40 fonosana izany. Amidiny 500 Ariary ny fonosana iray. Lehilahy miisa telo no voasambotra teo ampividianana rongony izay nofandrihan’ny polisy ihany koa. Mbola tratra teny amin’izy ireo ny rongony roa fonosana avy.

Les commentaires sont fermées.