Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tontolon’ny fitsarana : hisorohana ny fitsaram-bahoaka ny komitin’ny olon-kendry

Tontolon’ny fitsarana : hisorohana ny fitsaram-bahoaka ny komitin’ny olon-kendry

Mbola mahazo vahana ny fitsaram-bahoaka etsy sy eroa… Any Maroantsetra, hisorohana izany ny fananganana ny komitin’ny olon-kendry. 

Natsangana ny komitin’ny olon-kendry momba ny raharaha any Maroantsetra, izay nandoroan’ny olona ny biraon’ny fitsarana. Mba tsy hiverenan’ny trangan-javatra toy ireny intsony izany, araka ny fanazavan’ny minisitry ny Fitsarana, Ramanantenasoa Noëline, teny amin’ny fitsarana tampony, Anosy, omaly.

“Mpanelanelana eo amin’ny vahoaka izay manan-javatra itarainana ny komitin’ny olon-kendry”, hoy izy. Mba mitondra fitarainana any amin’ny komitin’ny olon-kendry ny vahoaka. Amin’izay alefany any amin’ny mpiasam-panjakana izany: na fitsarana io, na zandarimaria, na hopitaly….

Tsy tokony hoentim-pahazarana amin’ny asany ny mpitsara

 “Anisan’ny ezaka amin’izao ny ataon’ny mpitsara ao Fianarantsoa, ny fifaninanana izay mahavita didy faran’ny tsara indrindra: manaraka ny lalàna, fakan-tahaka any aoriana. Natao izay mba hanatsarana hatrany ny fomba fiasa”, hoy izy momba ny fanatsarana ny tontolon’ny fitsarana.

Hatolotra amin’ny fomba ofisialy, anio, ny amin’izay fifaninanana amin’ny famoahana didim-pitsarana izay. Hatao any amin’ny ady madio koa izany fomba famoahana didy izany, fa tsy amin’ny ady heloka ihany. Mba tsy hanao fahazarana intsony amin’ny asa ireo mpitsara mpamoaka didy, fa hanao fikarohana hampisehoana ny tena fahaiza-manao sy ny traikefa amin’ny raharaham-pitsarana.

Nanao izay ezaka izay ireo mpitsara ao amin’ny fari-piadidian’ny fitsarana ao Fianarantsoa,  “Hevitr’izy ireo tao izay”, hoy ny minisitra. Satria nomena andraikitra izy ireo hitady hevitra mba hanatsarana ny fomba fiasa, indrindra hiverenan’ny fitokisan’ny vahoaka ny fitsarana.

Mitoetra hatrany ny endrika tsy fahatokisana fitsarana

 Tsy mbola endriky ny tsy fahatokisan’ny vahoaka ifotony ny mpitandro filaminana sy ny fitsarana ve ny fananganana komitin’ny olon-kendry ho mpanelanelana? Na tsy atokisana noho ny olon-kendry any ifotony ny fanjakana na ny solontenany…

Ny famoronana rafitra sy fomba ivelan’ny lalàmpanorenana toy izany no mahatonga ny fitakiana lava: mila ny fanorenana ifotony ny firenena sy  ny Repobika? Efa mihamahazo vahana rahateo ny dina. Tsy voahaja ny lalàna na tsy hita izay fampiharana azy, manomboka any amin’ny mpitondra… fakan-tahaka?

R. Nd.

Les commentaires sont fermées.