Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Taolagnaro 14-16 marsa 2016 : fihaonamben’ireo  mpandraharaha malagasy sy vahiny

Taolagnaro 14-16 marsa 2016  : fihaonamben’ireo  mpandraharaha malagasy sy vahiny

Hotanterahina any Taolagnaro, ny 14 hatramin’ny 16 marsa ho avy izao, ny fivoriambe iombonan’ireo Antenimieran’ny varotra sy ny indostria miisa 24, eto amin’ny Nosy. Io ny fivoriana iraisana voalohany, hifanakalozan-kevitra hahafantarana ny vokatra any amin’ny faritra tsirairay avy, hisian’ny fifanakalozana ara-barotra. Nosoritan’ny lehiben’ny Federasion’ny Antenimieran’ny varotra eto Madagasikara, Chabani, fa betsaka ny vokatra eto amintsika any amin’ny faritra samihafa, saingy tsy ampy ny mpitrandraka azy. Ny ao amin’ny faritra Anosy, fotsiny, ohatra, betsaka ireo sehatra tokony hotrandrahina, ny olana anefa sarotra ho an’ny mpandraharaha ny miditra any amin’iny faritra iny noho ny tsy fisian-dalana. Marihina anefa fa Taolagnaro izao no manana seranan-tsambo lehibe sy manara-penitra indrindra eto Madagasikara.

Fotoan-dehibe ho an’ny mpandraharaha io fotoana io, satria hatao any an-toerana koa ny fihaonan’ireo mpikambana ao amin’ny Bureau de la conférence permanente des chambres consulaires africaines et francophones. Misy ifandraisana amin’ny fihaonamben’ny Frankôfônia hatao amin’ny volana novambra eto Madagasikara, ny fivoriana ataon’izy ireo. Hisy solontena avy any Belzika, Frantsa, sy firenena maro mampiasa teny frantsay aty Afrika  ho tonga amin’io fotoana io.

Mandritra io fotoana io ihany, ny hanaovana ny tsenaben’ny faritra Anosy, hampahafantarana ireo mpandraharaha maro ireo vokatra samihafa. “Manana ny velaran-tany sy sehatra maro mila mpampiasa vola ny faritra. Momba ny jono, ohatra, mbola tsy hita ny fivoarany hatramin’izao fa mbola jono tranainy ihany”, hoy ny filohan’ny FCCI sady filohan’ny CCI Taolagnaro, Chabani.

Mpandray anjara 250, andrasana any an-toerana amin’io fotoana io. Maro ireo mpanohana vonona amin’izany fotoana izany, toy ny BNI Madagascar, DHL, Air Madagascar, fandaharanasa Procom avy amin’ny Vondrona eoropeanina,  ireo orinasa sy trano fandraisam-bahiny any Taolagnaro, sns.

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.