Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rabejaona Nosy – Mamelomaso : «Tsy nisy Taom-baovao malagasy teto»

Rabejaona Nosy – Mamelomaso  : «Tsy nisy Taom-baovao malagasy teto»

Rabejaona Nosy, anarana nipoitra sy nanomboka fantatra taorian’ny nahamay ny Rovan’Antananarivo. Fotoana nitsanganan’ny fikambanana Mamelomaso izay tarihiny rahateo. Nalaza tamin’ity hernandro ity ny fanamarihana ny Taom-baovao malagasy. Fankalazana izay nifandroritana ihany ny fotoana tokony hanatanterahana azy. Tranga miseho isan-taona. Milaza ny heviny ity mpahay tantara iray ity

Gazety Taratra (*) : Amin’izao fotoana izao ny Taom-baovao malagasy. Misy ny mitsipaka izany. Ahoana ny hevitrao amin’ny maha filohan’ny Mamelomaso anao?

Rabejaona Nosy (-) : Tsy sarotiny amin’izay daty hankalazana ny  Taom-baovao malagasy ny Mamelomaso fa manaraka izay eken’ny besinimaro. Ny fanajana ny hasin’ilay lanonana sy ireo soatoavina rehetra voiziny. Tsy nisy izany Taom-baovao malagasy izany teto. Tsy mbola nisy izany Taom-baovao iraisan’ny faritra rehetra teto Madagasikara izany. Raha ny teto Imerina, ohatra, fandroana ny filazana azy. Sady taom-baovao izy io no fetim-pirenena.  Ny Frantsay no nanafoana azy ka nosoloina 14 jolay sy 1 janoary. Lova avy amin’ny razambe Indonezianina sy ny Azia Atsimo Atsinanana ny fandroana. « Mandru », teny kalimantana (Indonezianina) midika hoe, misasa madio. Fetin’ny fidiovana, fahazavana, famelan-keloka, sns… Ny any amin’ny faritra hafa ahitana ny Fitampoha (Sakalava) izay mifanakaiky amin’ny fomba eto Imerina. Manana ny andro ankalazany azy izy ireo. Mendrika ny asandratra avokoa ny fankalazana toy ireny eto Madagasikara.

* Mpahay tantara sady nandalina momba ny tontolon’ny vakoka ianao, ahoana ny fahitanao ny hoavin’ny tontolon’ny vakoka eto Madagasikara ?

– Tsy hiteny aho hoe kivy tanteraka satria tiako handroso ny asa. Fa rehefa mahita ireo tsangambakoka mbola may, ahitana halatra sy fanimbana, mila hiantso tody ho an’ny olona nahavita ireny. Sakana ny foto-pisainana, toy ny fampifangaroana ny vakoka sy ny fanompoan-tsampy, ny vakoka sy ny andriana. Tsy ampy ihany koa ny finiavana politika. Rehefa zohina, ny tsy fahafantarana ny tantara no tena mahatonga izany. Rehefa mahantra ny firenena iray, mahantra manaraka izany koa ny kolontsainy. Tsy ampy ny loharanom-pahalalana ka samy mitantara izay tiany ny olona. Boky « Firaketana » iray, ohatra, vidiana 1 tapitrisa ariary !

* Mamelomaso 20 taona. Inona ny paikady nataonao nahatonga ny fikambanana haharitra tahaka izany ?

– Fitiavan-tanindrazana. Resy lahatra izahay fa masina ny tanindrazana. Na tsara na ratsy, io ny an’ny tena, ka tsy maintsy atao izay isondrotany. Tsy ampy izany fa ampiana fahaizana amam-pahalalana. Mila mikaroka ihany koa. Tsy ny fanarenana ny vakoka ihany fa na ireny hetsika natao toy ny Taom-baovaon’ny ambanilanitra ireny aza, mila fikarohana sy hamarinina (fitafy, dihy, hira, sakafo, safidin’ny andro, sns).

Na kely sy bitika aza ny vita, efa zava-dehibe izay. Tsy hiandry paikady vaventy be foana vao hirotsaka eo amin’izay sehatra tokony hatao. Raha ny tompon-tany avy any amin’ireny vohitra manan-tantara rehetra ireny, ohatra, no mihetsika manamboatra ny azy,  handroso ny fanarenam-bakoka eto  Madagasikara. Etsy andaniny, saropady ny vakoka eto amintsika. Saropiaro amin’ny azy daholo ny faritra rehetra ka tsy maintsy miala avy amin’ny tompon-tany  ny finiavana  hanarina izany, raha tsy izany, mandamoaka izay rehetra atao.

* Izay moa Rabejaona Nosy sy ny fikambanana Mamelomaso ?

– Ny andro nahamay ny Rovan’Antananarivo, vonton’alahelo nahatsiaro tena ho tsy nahefa adidy. Tsy nampita io vakoka iray tsy manam-paharoa io  ho an’ny taranaka ka  nanao voady hoe  handray andraikitra amin’ny fanarenana ny vakoka. Teraka tao anatin’ny alahelo sy fitiavan-tanindrazana miredareda ny Mamelomaso.

Nosy Rabejaona, nianatra momba ny tantara teny Ankatso. Nitohy nandalina izany tany ivelany (Sorbonne, Frantsa) teo amin’ny lafiny arkeolojika. Nahateveniko tao amin’ny Institut supérieur d’audit culturel” – Sorbonne, izany. Nianatra taotrano ihany koa aho tao amin’ny “Ecole d’architecture Paris ” ary mpiofana tao amin’ny CEDS – andiany « Printsy Ratefinanahary ».

Nanangona: HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.