Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

PM Ravelonarivo : « Aoka hohajaina ny lalàna… »

PM Ravelonarivo  : « Aoka hohajaina ny lalàna… »

 Hentitra ny Praiminisitra Ravelonarivo Jean manoloana ireo mety ho fihoaram-pefy ataon’ny vahiny eto amintsika, indrindra fa ireo teratany sinoa. «  Ilaina ny fiaraha-miasa, saingy tany tan-dalàna isika ka na avy aiza na iza, tokony hanaja ny lalàna velona. Tokony samy hanara-dalàna na ny vahiny na ny tompon-tanindrazana », hoy izy, teny Mahazoarivo nanoloana ny mpanao gazety, omaly.  Nohitsiny fa antsika ny fananana eto ary miankina amintsika tsirairay izany ka tokony haha saropiaro. « Hitondra voka-tsoa ho antsika ny fampiharana sy ny fanarahana ny lalàna », hoy ihany izy.

Tsiahivina fa nandray ny ambasadaoro sinoa vaovao, hiasa sy honina eto amintsika, Xiaorong Yang, ny Praiminisitra Ravelonarivo tamin’io fotoana io ka niresahan’ny roa tonta ny fiaraha-miasa. « Samy nahazoana tombony ny ara-toekarena. Tsy resaka varotra ihany fa eo ny fampianarana. Ny fandraisan’anjaran’izy ireo amin’ny fotodrafitrasa handraisana ny Frankofonia, ny fahasalamana amin’ireo mpitsabo sinoa eto amintsika… Nohamafisiny avokoa izany ary hampitomboana aza ny fiaraha-miasa », hoy ihany izy.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.