Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Nofaohin’ny taxibe teny amin’ny lalana digue… : vaky ny lohan’ilay lehilahy saika hamono tena

Nofaohin’ny taxibe teny amin’ny lalana digue… : vaky ny lohan’ilay lehilahy saika hamono tena

 Azo lazaina ho naratra mafy, satria vaky loha mihitsy ity lehilahy iray, voadona sy nofaohan’ny taxibe iray, teny amin’ny lalana digue, Ambodihady, omaly maraina ity. Voalaza fa saika hamono tena izy io, ary nitsoraka tamin’ireo fiara nandalo.

 

Fiarakodia roa : 4X4 niromorimo mafy sy taxi-be 194, no efa nohitsiany saingy samy nahay niala azy ny mpamily. Niezaka niala azy koa, raha iny izy avy hatrany dia nitsoraka teo amin’ny arabe iny, ny mpamilin’ity taxi-be iray 114, saingy tsy tafajanona ary  nifatratra teo am-bodin’ny fefiloha eo amin’ny Digue. Naratra mafy, vaky loha vokatr’izany ity lehilahy iray, voalaza fa saika hamono tena. Nitangorona vetivety ny olona teny an-toerana raha nahita ity fikasan-dratsin’ity lehilahy ity. Voatery nosokirina tao amban’ilay taxi-be mihitsy izy. Tao ny gaga, nisy kosa tezitra tamin’ny fihetsika nataony ka nojeren’ny sasany fotsiny izy. Tao ihany anefa ireo nangoraka sy nitsetra azy ka nitondra ilay niharam-boina nankeny amin’ny hopitaly. Nilaza ho samy tsy nahafantatra azy avokoa ny ankamaroan’ireo olona nahita ilay lehilahy.  

Nahitana fahasimbana ihany koa ilay taxi-be 114 nifatratra tamin’ny fefiloha rehefa niala azy tampoka.

Nahazo vahana ny famonoan-tena…

Tsikaritra fa nahazo vahana indray tato ho ato ny famonoan-tena amin’ny alalan’ny fitsorahana any amban’ireny fiara mandeha eny amin’ny arabe ireny. Vao haingana no nisy ilay lehilahy nitsoraka tao ambany lamasinina teny Isotry, saingy avotra soa aman-tsara ihany koa izy tamin’izay rehefa voasaringotry ny kodiarambin’ilay lamasinina. Naratra mafy teo amin’ny lohany koa ilay niharam-boina tamin’izay.

J.C

Les commentaires sont fermées.