Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Nampitovy ny fomba fijery ny mpikambana Hina

Nampitovy ny fomba fijery ny mpikambana Hina

Nivory nandritra ny roa andro teto Antananarivo ny mpikambana ao anatin’ny Vovonan’ny fiarahamonim-pirenena miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo (Hina). 200 ny fikambanana malagasy sy vahiny mpikambana amin’izao fotoana izao miasa amin’ny faritra sivy ka nahatonga solontena avokoa. Tao anatin’ny roa andro, nisy fampitoviana ny fomba fijery mikasika ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo, satria marolafy ny sehatra voakasika (rano, fanabeazana, fambolena, fahasalamana…), araka ny fanazavan-dRazafimandimby Andriamandranto, filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Hina, omaly, teny Analakely.

Nampitombona koa ny fahaiza-manaon’ny mpikambana mba hahafehy ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo izy ireo ary farany ny fifampizarana ny vokatra tsara azon’ny mpikambana tsirairay isam-paritra.

Efa niasa hatramin’ny taona 2013 ny Hina ivondronan’ny fiarahamonim-pirenena misy fikambanana na ONG mandinika ny anjara toeran’izy ireo momba ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Satria efa manana drafitrasa isika, andraikitry ny Hina koa ny fanatanterahana izany. Afaka mitondra soso-kevitra hitondrana ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ny vovonana ary manao sisi-kevitra eo amin’ny fanjakana, ny mpamatsy vola hanatanterahana ny drafitrasa. Efa miroso amin’ny famolavolana ny drafitrasa fahatelo ny Ofisim-pirenena momba ny fanjarian-tsakafo amin’izao fotoana izao ka vonona hitondra ny anjarany ny Vovonana.

Vonjy 

Les commentaires sont fermées.