Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Manjakandriana : namboly hazo ny vehivavy

Anisan’ny nanamarika ny Andron’ny 8 marsa koa ny Fikambanan’ny vehivavy mpitarika Manjakandriana (Fivempimanja). Nomarihina amin’ny alalan’ny fambolen-kazo 510 fototra nozaraina amin’ny kaominina Ambanitsena sy Carion ary Sambaina izany. Ahitana oliva, voasary, pibasy ary sapin ireo zana-kazo ireo. « Ilaina ho fanampin-tsakafo sy ho  fihariana ho an’ny vehivavy mba hitondra hery sy tanjaka ho an’ny reny sy ny zaza ireo”, hoy Rasoamiadana Jacqueline. Teo koa ny hetsika fanentanana ny mponina eo amin’ny fahasalamana, indrindra ho an’ny reny sy ny zaza, niarahana amin’ny ONG Afo sy ny ONN.  Narahin’ny fanandramana sakafo maimami-poana amin’ny fomba tsy mahazatra na ilay antsoina hoe sakafo miovaova sy maroloko izany. Notolorana fitaovana koa ireo vehivavy mpanentana eny anivon’ny fokontany ao Alarobia.

Tsiahivina fa ahitana mpikambana 1 800 miparitaka amin’ireo kaominina 25 manodidina ny Fivempimanja ary reny mpiahy izany ny depioten’i Manjakandriana, Rahantamalala Lydia.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.