Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – Ligue des champions d’Europe : nofaizin’ny Paris St Germain ny Chelsea

Kitra – Ligue des champions d’Europe  : nofaizin’ny Paris St Germain ny Chelsea

Nomen’ny Frantsay lesona ny Anglisy, nandritra ny lalao ampahavalon-dalana miverina, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “Ligue des champions”, eo amin’ny baolina kitra. Tsy mbola afa-bela tamin’ny Paris St Germain mantsy ny Chelsea fa resiny teo amin’ny kianja filalaovany tamin’ny isa 2 noho 1, toy ny tamin’ny lalao mandroso, tany Frantsa ihany. Tafita eo amin’ny ampahefa-dalana izany  ny Parizianina, amin’ity. Nofehezin’ny Frantsay tanteraka ny fihaonana, nandritra ny 90 mn. Porofon’izany, ny PSG, nampiditra ny baolina voalohany, tamin’ny alalan’i Rabiot, teo amin’ny minitra faha-16, rehefa nahazo tolotra tsara petraka nalefan’i Ibrahimovic. Teo dia efa nahazo aina tanteraka ny Frantsay, na dia mbola nanantena fatratra aza ny Anglisy.

Nosahalain’i Diego Costa  izany teo amin’ny minitra faha-27, taorian’ny fitaka feno teknika nataony nanoloana an’i Motta. Io isa 1 sy 1 io no nentin’ny roa tonta niala sasatra.

Mbola nanjakan’ny Frantsay indray ny fidirana faharoa. Nahitam-bokany izany satria nampiditra ny baolina nahazoany fandresena i Ibrahimovic, teo amin’ny minitra faha-67. Lavo tanteraka ny Anglisy, izay tsy nahavita nanohitra intsony.

Anisan’ireo tafavoaka ihany koa ny Benfica izay nandresy ny Zenit, tamin’ny isa 2 noho 1.

 Miary Narindra

Les commentaires sont fermées.