Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra Afrikanina : nahazo lelavola 5 tapitrisa Ar ny Cnaps Sport  

Kitra Afrikanina : nahazo lelavola 5 tapitrisa Ar ny Cnaps Sport   

Nanainga omaly, tamin’ny 4 ora hariva, hihazo an’i Casablanca, Maraoka ny Cnaps Sport. Hiatrika ny lalao ampahavalon-dalana mandroso, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Ligue des champions 2016”, taranja baolina kitra.  

Nialoha ny niaingan’ny Cnaps Sport, handeha ho any Maraoka, hiatrika ny lalao amin’ny Wydad de Casablanca, eo amin’ny fiadiana ny “Ligue des champions d’Afrique”, tonga nangata-tsodrano, tamin’ny minisitry ny Fanatanjahantena, teny Ambohijatovo izy ireo, omaly. Tamin’izany no nanomezan’ny minisitra Andriamosarisoa Jean-Anicet lelavola 5 tapitrisa Ar ny mpilalao, noho ny nahatafitany eo amin’izao dingana izao. Mbola nampanantena ny tenany fa raha tafakatra amin’ny ampahefa-dalana, hitombo 10 tapitrisa Ar izany.

Mahakasika ny lalao indray, nilaza i Hery Be, mpanazatra, fa mafy ny lalao miandry ny Cnaps Sport. “Efa niomana tamin’izany izahay ary nohamafisina ny fiarovan-tena. Tsy midika izany fa tsy hanafika akory saingy tsy azo atao anjambany fa tsy maintsy jerena tsara aloha, satria ny tena milalao any an-tanin’olona”, hoy izy.

 

Hilalao amin’ny alina

Ny asabotsy, manomboka amin’ny 11 ora latsaka fahefany alina eto Madagasikara, ny fanombohan’ny lalao. “Tsy sakana izany satria efa betsaka tamin’ny mpilalaonay no zatra milalao alina, na tany La Réunion, na tany Alzeria”, hoy i Hery Be. Hotantaraina mivantana amin’ny onjam-peon’ny RNM ny fizotran’ny lalao.

Ankoatra izay, hiatrika ity fihaonana mandroso ity ireo mpilalao 21 mirahalahy. Ny vodilaharana sy ny irakiraka, ny tena betsaka ao anatin’ny Cnaps Sport. Porofo izany, fa hiezaka ny tsy ampidiram-baolina, amin’ity lalao mandroso ity.

Tsiahivina fa afaka herinandron’io, izany hoe ny asabotsy 19 marsa, ny lalao miverina, izay hatao any Mahajanga.

 

Tompondaka

Ireo mpilalao 21 :

Mpiandry tsatoby : Leda ; Ando

Vodilaharana : Feno, Pierralit, Lanto, Ronald, Toby, Jean-Bà, Olivier

Irakiraka : Mika, Njiva, Rija, Simouri, Rado, Rinjala, Lalaina, Ando (Kapiteny), Tojo kely

Lohalaharana : Lucien, Nônô, Niasex

Les commentaires sont fermées.