Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hetsiky ny Taom-baovao malagasy : hamarana ny lanonana i Nantenaina

Hetsiky ny Taom-baovao malagasy : hamarana ny lanonana i Nantenaina

Tao anatin’ny andro maromaro nanamarihana ny Taom-baovao malagasy, samy nanatanteraka ireo hetsika nanandrify azy ny fikambanana samihafa. Hanakatonana izany ny lanonana hotanterahina, eny amin’ny Espace Mercy By-Pass, Ambohimanambola, ny 12 marsa izao manomboka amin’ny 10 ora maraina. Anisan’ny hanafana ity hetsika ity i Nantenaina, mpanakanto fantatra amin’ny tononkira milaza ny zava-misy eny anivon’ny fiarahamonina. Mpanakanto manandratra avo ny kolontsaina sy ny zavakanto ary ny soatoavina malagasy. «… Fampitan-kafatra lehibe ny hoentin’ny tononkira. Mitovy ihany koa ny fomba fijeriko sy ny fikambanana Havia sy Havanana mikarakara ity lanonana lehibe ity, ny amin’ny fomba hanarenana sy iainana indray ny kolontsaina malagasy ka aleo mifanampy », hoy i Nantenaina. « Ho toy ny efa nifankahalala an-taonany maro izay rehetra ho tonga eny satria izay ilay endriky ny fiarahamonina malagasy hatramin’izay », hoy Ramaroson Misa, filohan’ny Havia sy Havanana nanamafy izany.

Ho hita eny an-toerana ny fanehoana ny maha malagasy (fitafy, sakafo…), kilalao ho an’ny ankizy, vakodrazana, dihy nentim-paharazana, sns.

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.