Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Haody : azo isintonan-javatra ny tahaka ireny

Nahomby sa tsy nahomby ? Nahasarika ny Malagasy sa tsia ?… Samy manana ny nahitany azy ny fankalazana ny Taom-baovao malagasy. Ny niraisana, samy nanao izay ho afany ny mpikarakara. Endrika nahatsara zavatra fa mety hahalasa eritreritra ihany manoloana ny « firaisankina no hery », « ny mitabe tsy lanin’ny mamba »…

Mbola mila voizina mafy ny kolontsaina malagasy tahaka itony raha tiana ny hampahazo vahana azy. Kendrena ny hiainan’ny Malagasy azy. Mialoha izay anefa, mila fantany ny momba azy ireny. Noho izany, tsy tokony ho herinandro mialoha ny hetsika vao manao zavatra fa tokony ho isan’andro isan’andro. Fomba nampiasain’ny mpanjakazaka an-tanin’olona io raha nampiditra ny kolontsainy eto ry zareo. Ny soa fianatsa !

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.