Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Basikety : hampiofana eo amin’ny Young Coach Razafiarivony Angelo

Raikitra. Hahazo fiofanana mpanazatra Young Coach, niveau 1, eo amin’ny taranja basikety, avy amin’ny federasiona iraisam-pirenena aty Afrika na Fiba Afrique, i Madagasikara.

Raha ny fampitam-baovao, fiofanana avy amin’ny Fiba Afrique hiarahany amin’ny federasiona malagasy (FMBB) izany. Araka izany, voalaza fa ilay manampahaizan’ny Fiba Afrique, teratany malagasy, Razafiarivony Angelo, no hitarika ny fampianarana manomboka ny 16 avrily izao. Hotanterahina, eny amin’ny 67 ha, ao amin’ny Tranoben’ny basikety ny fiofanana amin’ity indray mitoraka ity.

Ankoatra izay, afaka mandray anjara sy misoratra anarana amin’ity fiofanana ity kosa ireo olona te hifototra ho mpanazatra sy hiasa eo amin’ny tontolon’ny basikety. Afaka manaraka fiofanana ihany koa ireo mpampianatra fanatanjahantena eny an-tsekoly, sns. Saingy, tsy maintsy olona efa feno taona, izany hoe, manomboka eo amin’ny 18 taona noho miakatra no afaka mandray anjara amin’izany.

Mba ho fanatsarana hatrany ny tontolon’ny basikety malagasy no antom-pisian’ity fiofanana Young Coach 1 ity. Hoenti-mampiroborobo ny basikety eo amin’ny sokajy zandriny sy tanora ihany koa.

M.N.

Les commentaires sont fermées.