Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Antanimena-Alaotra : nahatsangana CEG ny vehivavy

Antanimena-Alaotra : nahatsangana CEG ny vehivavy

Dimy taona lasa izay, niezaka nanangana trano hatao CEG ny mponina tao amin ny fokontany

Antanimena, kaominin’i Manakambahiny-Andrefana, distrikan’Ambatondrazaka. Voatsangana ny rindrina, voatafo ny ilany ary  nihantona teo ny asa fa lany vola ny fokonolona.

Tamin’ny alalan’ny fifarimbonan’ireo vehivavy tao an-tanàna anefa no nahafahana nanohy ny asa. Nivondrona tao anatin’ny fikambanana Manolontsoa izay tarihin-dRamatoa Rasoanandrasana Elisabeth ireo andriambavilanitra ireo.

Nisy ny hetsika maro nataon’ity fikambanam-behivavy ity nahafahana nanohy ny asa fanamboarana ny CEG. Vita soa aman-tsara ny fotodrafitrasa ary nomena anarana CEG Mananjara izany.

9 ny mpampianatra ao an-tsekoly saingy ny roa amin’ireo mbola karamain’ny ray aman-dreny. Mangataka amin’ny fanjakana efitrano fanampiny ho an’ny CEG sy EPP ireto mpikambana ao amin’ny Manolontsoa ireto hahafahana mampitombo ny isan’ny mpianatra tafidtra an-tsekoly ao an-toerana.

 Rarivo

Les commentaires sont fermées.