Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ambohimanarina : nitsabo maimai-poana ny Affami

Mitohy ny asa sosialy. « Anisan’ny hetsika ataonay ny fijerena sy fanaraha-maso ireo zaza latsaky ny 5 taona, eto amin’ny boriborintany fahenina. Maimai-poana ny fitiliana sy ny fanomezana fanafody ireo zaza ary mahazo sakafo maroloko ara-pahasalamana isaky ny antoandro ireo tsy ampy refy sy lanja », hoy ny filohan’ny fikambanana Affami, ny depiote Raherisoa Vololona Victorine,  omaly tetsy Ambohimanarina. Nambarany fa miditra amin’ny andiany fahatelo izao ny hetsika. Efa maro rahateo ireo reny sy ny zaza nahazo tombontsoa, nifandimby noraisin’ny Affami. Tsy manavaka fa miasa ho an’ny zaza tsy ampy lanja sy refy rehetra ny fikambanana.
Tsy vitan’izany fa eo koa ny fiahiana ireo tanora sy ny vehivavy ataon’ny Affami amin’ny alalan’ny ivontoeram-panofanana momba ny asa. Eo, ohatra, ny fampianarana teny anglisy sy frantsay, ny lafiny informatika… « Anisan’ny tohana entinay koa ny fanofanana ireo mpanao asa tanana, toy ireo mikirakira ny rofia… Tanjona ny hampivoarana ny mponina eo amin’ny fihariana sy asa ataony », hoy ihany izy.

Synèse R. 

Les commentaires sont fermées.