Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

 Vehivavy iray 25 taona monina eny Behoririka no voasambotry ny polisy avy ao amin’ny boriborintany voalohany Analakely teo am-pifohana rongony, teny Soarano, ny talata 8 marsa teo, tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany maraina. Tamin’ny fanadihadiana natao azy no nilazany fa eny Behoririka no hividianany rongony. Natao ny vela-pandrika ka ny androtr’iny ihany, tratra ny lehilahy iray mpivarotra rongony niaraka tamin’ny fonosan-drongony miisa 11. Nandeha ihany ny fisafoana nataon’ny polisy. Tovolahy miisa roa izay mbola mpianatra no tratra teo am-pifohana rongony teny amin’ny trano rava eny Antanimena sy rangahy iray mpivarotra rongony niaraka tamin’ny rongony valo fonosana ary ramatoa iray manampy azy mivarotra rongony. Nilaza ireto mpivarotra rongony ireto fa eny amin’ny IVO Antohomadinika no fakany ny rongony amidiny. Natolotra ny fampanovana omaly ireo.

Les commentaires sont fermées.