Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Orambe sy rivotra nifofo : olona iray nianjeran’ny takelaby, tafon-trano ampolony maro niongotra

Orambe sy rivotra nifofo  : olona iray nianjeran’ny takelaby, tafon-trano ampolony maro niongotra

Nanaitra ny mponin’Antananarivo sy ny manodidina ny fifofofofon’ny rivotra sy ny orambe niseho ny talata teo. Nanimba zavara maro teto an-dRenivohitra iny andro ratsy iny. Takelaby fametrahana dokambarotra miisa telo nianjera, teny Behoririka, Ankazomanga ary teny Anosy, izay nandratra olona iray. Efa nahazo fitsaboana teny amin’ny HJRA izy io. Ankoatra izay, trano ampolony maro niongotra tafo, afakomaly. Anisan’izany ny fiangonana Ekar Antanimena. Nentin’ny rivotra ny tafo. Trano teo amin’ny 10 ihany koa nentin’ny rivotra ny tafony teny Imamba Tsaramasay. Dimy tany Ankazomanga. Ankoatra izany ireo hazo efatra nianjera teto an-dRenivohitra ka ny iray nibahana ny arabe, ka nalan’ny mpamonjy voina.

“Antso 10 no nivoahanay ny talata hariva, nanomboka tamin’ny 5 ora sy sasany. Namonjy trano niala tafo, hazo tapaka sy talekaby nianjera. Soa ihany fa tsy namoa-doza ireo zavatra ireo, ankoatra ny olona iray naratra teny Anosy”, hoy ny lehiben’ny mpamonjy voina, ny kolonely Rabemanantsoa Michel.

Taorian’iny andro ratsy iny, maromaro ny trano atahorana mety hirodana. Eny amin’ireo fokontany Imamba, nilaza ny mponina eny fa misy ny trano mivava vokatr’izany. Manohy ny fanaraha-maso sy ny fandraisana fepetra amin’ireny ny sampana mpamonjy voina. Azon’ny rehetra atao ny miantso azy ireo.

Mbola ho avy ny orana

Raha ny fanazavan’ny Meteo malagasy, nahatratra 60 km isan’ora ny hamafin’ny rivotra teto an-drenivohitra ny talata teo. Vokatry ny rivotra mangatsiak mibosesika avy any Ankaratra mifanena amin’ny rivotra mafana be avy eto Antananarivo no nahatonga iny tranga ny talata teo iny.

Efa nampiomana ny mpamantatra ny toetr’andro fa ho avy ny orana amin’ity herinandro ity.

Vokatry ny andian-drahona miangona eto Antananarivo no mahatonga ny orana. Hisy ny tselatra sy kotroka miaraka amin’ny rivotra mahery ary mety ho tafakatra 100 km isan’ora izany rivotra izany indraindray. Heverina ihany koa ny mety hisian’ny havandra.

Nandravarava tany Andilamena sy teto Antananarivo ary tany Atsimo Atsinanan’ny Nosy  ary tonga tany Mangoro iny orambe narahina rivotra nifofofofo iny.

Mbola mila miomana amin’ny fihavian’ny orana hatrany isika eto Antananarivo amin’ity herinandro ity, raha ny filazan’ny mpamantatra ny toetr’andro hatrany.

Yves S.  sy Tatiana A  

Les commentaires sont fermées.