Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Analakely : mpividy volamena efatra voasambotry ny polisy

Analakely : mpividy volamena efatra voasambotry ny polisy

Mpividy volamena tsy ara-dalàna miisa efatra indray saron’ny polisy avy ao amin’ny boriborintany voalohany, omaly nandritra ny hetsika “opération mpividy volamena tsy ara-dalàna”. Araka ny fanazavan’ny polisy, teny akaikin’ny EPP Analakely sy teo anoloan’ny tranombarotra Shoprite no nisamborana ireto olona ireto.  Voalaza fa mbola am-panaovana ny asany mihitsy izy ireo no tonga tampoka ny polisy. Manontany izay olona mandalo izy ireo raha nitondra volamena hamidy. Nitsoaka avy hatrany kosa ireo izay nahatazana ny mpitandro filaminana. Nifanenjehan’ny polisy hatrany anefa ireo nitsoaka. Nanamafy hatrany ny polisy fa malaza ratsy amin’ny fividianana volamena halatra na avy nendahina ireo mpividy volamena tsy ara-dalàna ireo. Misy amin’izy ireo aza no miray tendro amin’ny jiolahy amin’ny alalan’ny fandraisana ireny volamena halatra ireny.

Tratra tany amin’ireo mpividy volamena halatra ireo rahateo ny volamenan’ilay Karana vavy novonoin’ny mpampiasa azy teny Tanjombato andro vitsivitsy lasa izay. Efa nanamafy rahateo ny polisy fa tsy ekena intsony ny fisian’ireo mpividy volamena mivangongo eny Analakely sy ny manodidina ireo. Isan’ny mampirongatra ny tsy fandriampahalemana ny fisian’izy ireo. Tsikaritra anefa fa tsy mety miala mihitsy izy ireo fa vao mainka aza mihamitombo hatrany.

J.C

Une réponse à "Analakely : mpividy volamena efatra voasambotry ny polisy"

  1. Angelà Voahirana  10/03/2016 à 13:04

    ary ahoana ireo mpanakalo Euro dollars ?

Les commentaires sont fermées.