Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Vonoan’olona tao amin’ny Bar Salohy Toamasina : naiditra am-ponja i Fernand sy Fernandel

Vonoan’olona tao amin’ny Bar Salohy Toamasina : naiditra am-ponja i Fernand sy Fernandel

 Nidoboka avy hatrany ao amin’ny fonjaben’Ambalatavoahangy i Fernand sy Fernandel izay voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny vonoan’olona tao amin’ny Bar Salohy Ankirihiry Toamasina, ny alakamisy teo…

 

Niaiky ny famonoana olona nataony i Fernand sy Fernandel nandritra ny famotorana azy roa lahy teny amin’ny polisy Tanambao Bazarikely, araka ny fanazavan’ny kaomisera Razafindahy Manitra Fleurys. Anisan’ny nenjehin’ny fitsarana tamin’izao raharaha izao koa ny tompon’ilay Bar Salohy sy ilay sarimbavy voalaza fa niantombohan’ity raharaha ity, saingy nomena fahafahana vonjimaika taorian’ny famotorana teny amin’ny fampanoavana ambaratonga voalohany. Naiditra am-ponja vonjimaika ao Ambalatavoahangy kosa izy roa lahy nahavanon-doza voalaza anarana etsy ambony.

Nanambara kosa ny prefet-n’i Toamasina, Benandrasana Cyril fa tsy maintsy hakatona ireny trano fisotroana sy fanaovana karaoke tsy manara-dalàna ireny mba hitandroana ny fandriampahalemana. Voalazan’ny polisy hatrany fa niainga avy ao amin’ity bar Salohy ity ny fifamaliana izay niafara tamin’ny vonoan’olona feno habibiana toy izao. Resaka fiarahan’ny lahy samy lahy no niavian’ny olana, araka ny fanazavan’ireo voarohirohy nandritra ny famotoran’ny polisy hatrany. Nikaoty ny sakaizan’i Fernand ny sarimbavy iray ka tsy zakan’izy ireo ny fihetsika sy ny teny nataony ka nitarika ny fifanjevoana. Voadaroka teo amin’ny lohany sy ny sorony ilay sarimbavy ka naratra mafy. Nahita izany ny sarimbavy iray ka saika hitondra ilay naratra teny amin’ny hopitaly. Tamin’izay indrindra anefa no notsatohan’i Fernandel ny zava-maranitra ny tendan’ity mpanavotra ka maty tsy tra-drano.

Sajo

Les commentaires sont fermées.