Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Valin-kafatry ny mpanorina ny Tim : “Malalaka amin’ny heviny Rakotoarivelo Mamy”

Valin-kafatry ny mpanorina ny Tim : “Malalaka amin’ny heviny Rakotoarivelo Mamy”

 Tsy niandry ela. Namaly avy hatrany ny ho fisintahan-dRakotoarivelo Mamy eo anivon’ny antoko Tim, ny filoha nasionaly, Ravalomanana Marc. “Malalaka amin’ny fanehoany hevitra ny rehetra. Eo amin’ny fanaovana politika, misy ny atao hoe “Challenge” ka nisafidy izany Rakotoarivelo Mamy”, hoy izy tetsy amin’ny lapan’ny Tanàna, Analakely, omaly raha nanotrona ny andron’ny 8 marsa.

Ankoatra izany, nitondrany ny heviny koa ny momba ny tontolon’ny fanoherana eto amintsika amin’izao fotoana izao ka maha be resaka. Mbola malalaka rahateo ny seza ho an’ny mpanohitra eny Tsimbazaza sy Anosikely. “Tsy parlemantera aho nefa koa tokony ho fantatra raha ohatra ka mahazaka ny fanoherana ny fitondrana… Ilaina ny fitoniana politika ary anisan’ny takin’ny mpamatsy vola antsika izany amin’izao fotoana izao. Efa mahantra loatra ny malagasy”,  hoy ihany izy.

Efa ela no niala tsy ho dg ny mbs tsy ny antoko no hanohana olona na hanome fahafapo ary misy fitsipka ka refa tsy mifanaraka ho hitantsika eo

Synèse R. 

Les commentaires sont fermées.