Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Taom-baovao malagasy : hiavaka ny fitsofan-drano

Taom-baovao malagasy : hiavaka ny fitsofan-drano

« Ny tso-drano, zava-mahery », hoy ny fahendren’ny Malagasy. Hiavaka ny amin’ity taona ity satria ny Malagasy anisan’ny zokiolona indrindra no hanatanteraka izany eny amin’ny foiben’ny fikambanana Fitohasina nasionaly, Ikianja Ambohimangakely ny alakamisy maraina izao. Rakotondrazafy, 110 taona avy any Soavinandrina Itasy, taranakan’Andriambahoakaafovoanitany no hanatontosa izany. Fantatra fa hanotrona ity zokiolona indrindra ity mandritra io fitsofan-drano, io ireo olobe (mpanjaka, tangalamena) avy any amin’ny faritra.

Ho an’ny anio kosa, hanomboka amin’ny 2 ora sy sasany ny fizarana ny afo tsy maty. Amin’ny 5 ora hariva ny fiaingan’ny afo tsy maty etsy amin’ny Tahala Rarihasina Analakely hihazo ny foibe Trano kolotoraly malagasy, eny Ambohimangakely. Hitohy amin’ny lanonana mandra-maraina izany.

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.