Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mitaky ny zony ny mpanohitra

Ampiharo ny lalàna mifehy ny mpanohitra, eny na misy iny hevitry ny HCC iny aza. Miantso ny minisiteran’ny Atitany izahay hamoaka ny lisitra ho an’ireo nisoratra ho mpanohitra mba hahafahanay mizaka ny zonay”, hoy Ralambomahay Toavina. Nohitsiny fa izy ireo ihany no hany tena mpanohitra eto, satria efa manosika mafy ny Tim, Mapar, MMM ary Hiaraka isika… ny HVM mba hanohitra ny TIM, MAPAR, MMM, Hiaraka Isika, sns. “Mazava fa tsy hanohitra izy ireo. Manosika mafy azy ireo koa ny Fondation Friedrich Ebert (FFE) mba hanohitra. “Mazava fa tsy hanohitra izy ireo na efa ho roa taona aza izao”, hoy ihany izy.

Niaiky ity mitonona ho mpanohitra ity fa malemy satria vitsy ny Malagasy no sahy milaza am-pahibemaso araka ny lalana fa mpanohitra. “Efa maro anefa ireo tsy faly fa tsy sahy”, hoy izy. Nambarany fa mbola misy  telo taona ka raha tsy miavaka mazava ary manana sehatra mitovy amin’ny mpitondra ny mpanohitra, ho sarotra ny fifandimbiasam-pahefana. “ Ireo eo amin’ny fitondrana hatrany no hiverimberina eo”, hoy Ralambomahay Toavina.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.