Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kaominina Ivato : vehivavy sahirana 200 nizarana fanomezana

Kaominina Ivato : vehivavy sahirana 200 nizarana fanomezana

Niavaka ny fankalazana ny Andron’ny vehivavy ho an’ny kaominina Ivato, omaly. Ankoatra ny hetsika nataon’ireo fikambanam-behivavy izay notarihin’ny vadin’ny ben’ny Tanàna Randrianarisoa Hobisoa, nisy koa ny fizarana fanomezana ho an’ireo vehivavy sahirana 200 tao an-toerana. Nizarana vary, menaka ary siramamy ireo vehivavy sahirana avy amin’ny fokontany enina sy kartie fito ao an-toerana. Niarahana niasa tamin’ny orinasa mpiara-miombon’antoka ao Ivato izany.

Tonga nanotrona ny lanonana ny vadin’ny masoivohon’i Indonesie sy ny mpiara-miasa aminy izay anisan’ny nanampy tamin’ny fanomezana ho an’ireo vehivavy sahirana. Angady sy vy nampahomby ny hetsika ihany koa ny ekipa sosialin’ny kaominina Ivato.

Ankoatra izay ny fikambanana Destiny Anjara Voatendry izay miantsehatra amin’ny asa soa. Nandrindra ny fanangonana ireo vehivavy isam-pokontany sy nitady ny tohana hahafahana manampy azy ireo ny fikambanana izay tarihin’ny vadin’ny ben’ny Tanàna, Randrianarisoa Hobisoa.

Hitohy ny hetsiky ny fikambanana amin’ny fanampiana ny vehivavy sahirana. Manantena azy ireo indrindra ny andriambavilanitra ao Ivato.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.