Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ilay sambo mihantona any Faux Cap : manara-maso ny hisarihana azy ny APMF

Efa tonga any Faux Cap, any atsimon’ny Nosy, ireo teknisiniana avy amin’ny APMF (Agence portuaire maritime et fluviale), mijery ny fomba hanesorana ilay sambo mihantona ao amin’io fari-dranomasina io ny 29 febroary teo. Sambo lehibe (200 m ny halavany, 45 m ny sakany) avy ao Afrika Atsimo izy io nitondra arina 160.000 t ho any Inde. Hatramin’izao, tsy misy loza hita naterak’izany fikatsoan’ny diany izany, tsy misy maratra na aina nafoy, na koa misy arina very any anaty ranomasina ireo harina marobe nentiny ireo.

Na izany aza, mandray fepetra haingana ny APMF hisorohana izay mety loza hitranga hanalana io sambo io aty amin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara. Efa tonga any an-toerana amin’izao fotoana izao ny sambo remorqueur telo hitarika azy hiverina any Afrika Atsimo. Efa tonga any koa ny sambo mpitatitra solika iray nitroka ny solika ao anatin’io sambo tavela io, mba hampihena ny lanjany amin’ny fotoana hisarihana azy. Tsy maintsy arahi-maso akaiky ny fisarihana io sambo lehibe io, mba tsy hitera-doza aty amin’ny fari-dranomasin’ny Nosy, hitandroana ny tontolo iainana.

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.