Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Halatra jirofo-Lehiben’ny Faritra Analanjirofo : mitovy amin’ny manodinkodina zaza tsy ampy izay tratra

Halatra jirofo-Lehiben’ny Faritra Analanjirofo : mitovy amin’ny manodinkodina zaza tsy ampy izay tratra

Nambaran’ny lehiben’ny Faritra Analanjirofo, Ramarson Jaques, fa hampitoviana amin’ny olona manodinkodina zaza tsy ampy taona ny manao fiotazana lavanila mbola tsy matoy. Tsy vitan’ izay ihany fa mbola angalarina atao latsak’ alina eny an-tsahan’ny mpamboly. Ireto farany izay misedra fahasahirana amin’ny fikarakarana ny voliny ary koa efa sahirana amin’ izao vanin’ andro izay ka miandrandra vidina vokatra vanila hanatsarana ny fari-pianan’ny akohonany.
Manao ranolava ny fahatraran’ny mpitandro ny filaminana ao amin’ny faritra Analanjirofo ireo lavanila manta hanaovan’ ireo  jiolahim-bokatra latsakalina eny an-tsaha. Taorian’ny fahatrarana lavanila manta roa kitapo milanja 50 kilao isan’ isany tao Vavantenina ny talata 1 marsa 2016 teo dia nahatratra 7 kitapo amin’ny 50 kilao isan’ isany koa ny polisy ao Fenoarivo Atsinanana ny  alakamisy alina amin’ iny lalana mampitohy an’ i Morondrano sy Fenoarivo Atsinanana izay nentin’ny taksibrosy.

Sajo sy J.C

Les commentaires sont fermées.