Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fiaraha-miasa : hanatrika ny fetim-pirenen’i Maorisy ny filoha

Raha tsy misy ny fiovana, ho avy hanatrika ny faha-48 taon’ny Fahaleovantenan’ny Nosy Maorisy, ny filoha Rajaonarimampianina sy ny delegasiona hotarihiny ny faran’ny herinandro izao. Anisan’ny voaasa amin’izany ny tenany.

Navoitran’ireo haino aman-jery, ao amin’ity Nosy ity, rahateo, fa karazan’ny ho fiaraha-miombona antoka sy fiangana vaovao eo amin’ny roa tonta izao fitsidihana mety hataon’ny filoha any Maorisy izao. « Hofaritana amin’izany ny fiaraha-miasa ara-toekarena ka ho tonga amin’ny fifanaovan-tsonia momba ny ho fampiasam-bolan’ireo mpandraharaha maorisianina eto amintsika. Tafiditra ao anatin’izany ny fametrahana ny faritra ara-toekarena manokana (Zes). Fanomanana sahady ny hahatongavan’ireo mpampiasa vola ireo izao fivahinianan’ny filoha Rajaonarimampianina any an-toerana izao », hoy ireo haino aman-jery any an-toerana. Hitondra ny fahaiza-manaony  sy ny trakefany ary ny volany ireo mpampiasa vola atsy amin’ny Nosy rahavavy ireo.

Efa nivoitra tamin’ny filankevitry ny minisitra maorisianina ny 4 marsa teo rahateo ny fananganana ny vaomiera manokana handinika ny ho fiaraha-miombona antoka eo amin’ny roa tonta.

Tafiditra anatin’izany ny fiaraha-miasa ara-teknika, toy ny sehatry ny fambolena, ny varotra, ny fifandraisana sy fifandraisan-davitra.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.