Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Basikety : tanjon’ny ligin’i Boeny ny hampitombo ny fifaninanana ao aminy

Basikety : tanjon’ny ligin’i Boeny ny hampitombo ny fifaninanana ao aminy

Razafindraibe Arnaud. Filoha am-perinasan’ny ligin’i Boeny eo amin’ny taranja basikety. Maromaro ireo hetsika federaly horaisin’ity ligin’i Boeny ity amin’ity taom-pilalaovana 2016 ity. Ankoatra ny Play-off amin’ny “Coupe du Président” farany teo, fifaninanam-pirenena maro no hampiantranoan’ny ligy, toy ny eo amin’ny U14, U20, N1B. Izany hoe, lasa renivohitry ny basikety malagasy i Mahajanga amin’ity taona ity.

Etsy andaniny, tanjon’ny ligy, tarihin-dRazafindraibe Arnaud, ho fampivelarana sy hampandrosoana ary hampiroboroboana ny taranja basikety ao Mahajanga, ny hampitomboana hatrany ny fifaninanana hatrehin’ireo klioba eo anivony. Marihina fa amboara fito no indray noraofin’ity ligy ity tamin’iny taom-pilalaovana 2015 teo iny. Vonona ny hanatsara ny basikety ao Mahajanga hatrany ny filohan’ny ligy.

M.N.

Les commentaires sont fermées.