Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

An-kitsim-po : heverin’ny sasany “ho an’izay tsy tafita”

Tsy mahasarika firy ny tanora malagasy ny mandalim-pahaizana ho matihanina eo amin’ny sehatry ny fiompiana sy fambolena. Tsy omen-tsiny loatra ny amin’izany izy ireo, satria hatramin’izay, karazany tsy misy ny fandresen-dahatra miantso azy ireo hitrandraka izany sehatra izany. Ny fiompiana sy fambolena ambara hatry ny ela fa antoky ny fampandrosoana anefa, toa heverin’ny sasany fa “ho an’izay tsy tafita” ihany. Ireo lazaina fa tafita kosa, vitsy ny miverina miasa any amin’ny tontolo ambanivohitra.

Zara raha misy sekoly na ivontoerana miompana amin’izany fiompiana sy fambolena izany eto amin’ny Nosy. Tsy malaza ny sampam-pianarana momba azy ireo raha ampitahana amin’ireo sampam-pianarana hafa. Sarotra ny ahitana izany, ary tsy mora ny fidirana aminy any amin’ny ambaratonga ambony, fanjakana na tsy miankina.

Vitsy kely ny mirona amin’ireo sehatra roa ireo ny mpandraharaha. Tsy hita mametraka izany ho laharam-pahamehana ny fanjakana nifandimby. Zatra miandry ny fanampian’ny vahiny : ny Japoney amin’ny alalan’ny Jica ; Frantsay, AFD ; Alemaina, Page/Giz ;  Amerikanina, USAID.

MC

Les commentaires sont fermées.