Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Polisim-pirenena : nisokatra ny fankalazana ny faha-55 taona

Polisim-pirenena : nisokatra ny fankalazana ny faha-55 taona

Fotoam-pivavahana iraisam-pinoana notarihin’ny FFKM Antananarivo Renivohitra natao teny amin’ny Katedraly katolika Andohalo izay notanterahina, omaly maraina no nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny fotoam-pankalazana ny faha-55 taona nijoroan’ny polisim-pirenena Malagasy. Tenin’ny Soratra Masina nalaina tao amin’ny Matio 5 : 13-14 « Ianareo no fanasin’ny tany, ianareo no fahazavan’izao tontolo izao » ny lohahevitra niompanan’ity fotoam-pankalazana ity. Vory lanona nanome voninahitra ny fotoana ny fianakaviamben’ny polisim-pirenena notarihin’ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny inspecteur général de police, Randimbisoa Blaise Richard. Tsikaritra teny an-toerana avokoa ireo polisy mbola am-perinasa sy ireo efa misotro ronono. Tonga niara-niombom-bavaka nandritra ity fotoana ity ireo minisitra nifandimby efa nitantana ny polisim-pirenena hatramin’ny taona niforonan’ny polisim-pirenena.

Tonga teny an-toerana niara-nitondra am-bavaka ity fotoam-pankalazana ity ny Sekretera jeneralin’ny Fiadidiana ny filohan’ny Repoblika, ny Jly Ralala Roger notronin’ireo olona manan-kanja maro sivily sy miaramila.

Nandravaka ity fotoana, omaly ity ny feomangan’ny chorale Trompetran’ny polisim-pirenena. Nohamafisin’ireo komitin’ny fankalazana kosa fa hitohy hatramin’ny 30 septambra 2016 izay ivon’ny fankalazana ny fanamarihana ity jobily ity izany. Hetsika maro rahateo no entina manamarika izany. Ny 25 marsa izao, hisy ny fotoam-pivavahana hatao eny amin’ny Mosqué Musulman 67 ha ho an’ireo polisy manaraka ny finoana silamo.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.