Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanamarihana ny 8 marsa : vehivavy mpiasam-panjakana 4 000 nahazo fanomezana

Fanamarihana ny 8 marsa : vehivavy mpiasam-panjakana 4 000 nahazo fanomezana

Ho fanamarihana ny Andron’ny vehivavy, nisy fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana tao amin’ny fiangonana Ampahibe, afakomaly maraina niarahana tamin’ny vadin’ny filoha, Rajaonarimampianina Voahangy. Nanatrika ny fotoana ny fikambanan’ny vadi-miaramila sy vadin’ny zandary sy ny mpiasa sivily ao amin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena. Nitondrana ny fanompoam-pivavahana ny teny nalaina tao amin’ny Galatianina 3, 28 « Tsy misy intsony … na lahy na vavy, fa iray ihany hianareo rehetra ao amin’i Kristy Jesoa ». Nitarika ny fotoana ny aumonier efa-dahy notarihin’ny pasitera Rakotozafy Mickael.

Ankoatra ny fiombonam-bavaka, notoloran’ny vadin’ny filoha fanomezana koa ireo vehivavy rehetra tonga tao.

Mbola ao anatin’ny fanamarihana ny Andron’ny vehivavy ihany, nanolotra fanomezana ho an’ny vehivavy mpiasam-panjakana  4 000 ny vadin’ny filoham-pirenena, Rajaonarimampianina Voahangy, ny herinandro lasa teo tao amin’ny lapan’ny Kolontsaina sy ny fanatanjahantena, Mahamasina. Notsongaina manokana izy ireo satria miasa amin’ny minisitera enina miara-miasa akaiky amin’ny fiadidiana ny Repoblika momba ny fanaovana asa sosialy. Tafiditra ao  ny minisiteran’ny Mponina, Fanabeazam-pirenena, Rano sy fahadiovana, Kolontsaina, Fampianarana teknika, Fahasalamam-bahoaka. Miompana amin’ny fahasalamana, fanabeazana, tontolo iainana ary fampivoarana ny vehivavy ny asan’ny ekipan’ny vadin’ny filoham-pirenena. « Tsy sanatria manilika ny minisitera hafa, fa  ianareo no manakaiky kokoa ny fiahiana ny vehivavy sy ny reny. Ianareo no isan’ireo havànana sy mahalala ny zava-misy eny amin’ireo sehatra iankinan’ny ankizy, ny tanora, ny vehivavy, ny fianakaviana ary ny maha olona eto amin’ny firenentsika”, araka ny lahanteny nataony nandritra ny hetsika. Andeha hanao dingana ho fampimirana lenta ny lahy sy ny vavy ny lohahevitra noraisina amin’ny fankalazana amin’ity taona ity.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.